|
Ry ray aman-dreny hajaiko, Ho anao ranadahy Ho antsika ramatoa Ho anareo tanora, zanaka Ho an’ny mpino rehetra mahafantatra tsara fa mipaika izao ny ora Ry havako, Zava-dehibe ho an’ny firenena sy eo anatrehan’Andriamanitra ny ho tanterahanao ny alahady izao. Ekena fa maro ny tsy tomombana eo amin’ny fikarakarana. Sarotra ny toe-draharaham-pirenena. Ao ny tsindrihazolena sy ny famendrofendroana etsy sy eroa, ary ny sakana izay nosedraintsika manokana. Nandroso hatrany anefa. Sahy mijoro ho anao aho ary vonona ny hitondra ny fiovana tena izy izay hisy fiantraikany mivantana amin’ny fiainan’ny isan-tokantrano. Vitantsika io. Misaotra anareo sahady aho noho ny fanohanana nandritra izay fampielezan-kevitra izay nanerana ny lafivalon’ny nosy. Misaotra ny kandida namana mpifaninana, nifankahery. Isika tsy miady amin’ny nofo aman-drà fa amin’ny fanahy ratsy sy ny hevitra tsy mitondra vokatsoa ho an’ny firenentsika Mankasitraka sahady ireo olon-tsitra-po tsy tambo isaina rehetra nifanome tanana, ireo Mpanompon’Andriamanitra marobe nitso-drano sy nitondra amim-bavaka ny tenako, ireo mpanao gazety naneho ny fahaizany ny asany, ireo vehivavy mahatoky ahy, ireo mpanakanto namorona hira faneva vokatry ny fony tsy nisy tambiny, ireo tanora sy ny ankizy aza, ary ny fikambanana maro tsy voatanisa toy ny Madagasikarantsika, Topi, Hetsika Madagasikarantsika... Ireo izay naneho fa ambony noho ny fanambazana ny safidy ary ny sitrapon’Andriamanitra. Ho avy isika ny alahady izao, hifidy an-dRtoa Elia Ravelomanantsoa, nantsoinareo hoe «vavy tokana», ho Filoham-pirenena sy ho renin’ny Malagasy rehetra. Raiso ary ny andraikitra, amporisiho ireo misalasala, tongava manefa ny adidinao, arovy ny safidinao amin’ny fanaraha-maso ny latsa-bato, ny fanisam-bato. Mitodika manokana aminao vevivahy, rahavavy, ny tenako. Andao isika haneho firaisankina, fahavononana ary hiaraka handray andraikitra isika vehivavy. Ny dingana voalohany dia ny fanomezana ahy ny vatonao. Tsy hanaiky lembenana aho raha ny fahamarinan’ny safidy no voatohintohina satria sarobidy loatra amiko ny safidinao. Vavy tokana, vato tokana avy aminao hanova ny hoavin’i Madagasikara ho amin’ny fahatsarana sy ny fandrosoana azo tsapain-tanana tokoa.Ambarako fa antsika rehetra i Madagasikara, antsika jiaby fa tsy an’olona iray. Tonga daholo isika amin’ny 03 desambra, hifidy an’i Elia Ravelomanantsoa, dingana voalohany amin’ny fananganana firenena mandroso, milamina, misy asa ho an’ny rehetra, hanjakan’ny fahalalahana eo amin’ny sehatra rehetra. Alao hery àry, rahavako. Ary samia tahian’Andriamanitra fa mpandresy isika ary manoatra noho ny mpandresy. ELIA RAVELOMANANTSOA SAHY MIJORO HO ANAO |